Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.
Mpitsara 20:19 - Baiboly Katolika Dia niainga maraina ny zanak’i Israely, ka nitoby tandrifin’i Gabaà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga vao maraina ny Zanak’Israely ka nitoby tandrifin’i Gibea. DIEM PROTESTANTA Niainga vao maraina ny vatan-dehilahy israelita ka nitoby tao akaikin’i Gibehà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niainga vao maraina ny vatan-dehilahy israelita ka nitoby tao akaikin’i Gibehà. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niainga maraina koa ny Zanak’Isiraely ka nitoby tandrifin’i Gibea. Malagasy Bible Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea. La Bible en Malgache Dia niainga vao maraina ny Zanak’Israely ka nitoby tandrifin’i Gibea. |
Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.
Nony ampitso nifoha vao maraina koa i Jôsoe, dia nampanatona an’i Israely isam-pokony, ka ny fokon’i Jodà no voatana.
Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.»
Nandroso ny lehilahy amin’i Israely hiady amin’ny an’i Benjamina ary nilahatra ny lehilahy amin’i Israely hamely azy teo anoloan’i Gabaà.