Mpandefa tsipìka zatra manavia manavanana raha mandefa vato, zatra mandefa zana-tsipìka amin’ny tsipìkany; avy amin’ny rahalahin’i Saola, amin’i Benjamina:
Mpitsara 20:16 - Baiboly Katolika Nisy fiton-jato lahy voafantina tamin’ireo vahoaka rehetra ireo tsy mampiasa ny tanany havanana: ireo mpiady ireo samy mahay mitoraka singam-bolo amin’ny vaton’antsamotady, ka mahavoa azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo amin’izany olona rehetra izany dia nisy olona kavia fitonjato lahy voafantina, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady ka tsy nisy nivaona na dia toy ny singam-bolo iray aza. DIEM PROTESTANTA Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin’ny antsamotady nefa tsy mivaona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin’ny antsamotady nefa tsy mivaona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary teo amin’izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza. Malagasy Bible Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza. La Bible en Malgache Teo amin’izany olona rehetra izany dia nisy olona kavia fitonjato lahy voafantina, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady ka tsy nisy nivaona na dia toy ny singam-bolo iray aza. |
Mpandefa tsipìka zatra manavia manavanana raha mandefa vato, zatra mandefa zana-tsipìka amin’ny tsipìkany; avy amin’ny rahalahin’i Saola, amin’i Benjamina:
Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.
Ny isan’ny lehilahy amin’i Israely afa-tsy ny Benjaminita, dia efatra hetsy, samy mahatan-tsabatra sy mpanafika avokoa.
Fa nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, ka nananganan’i Iaveh mpanafaka, dia i Aoda, zanak’i Gerà, Benjaminita, izay nampiasa ny tanany ankavanana. Nampitondrain’ny zanak’i Israely fanomezana ho an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba izy.
Ny tehiny no noraisiny teny an-tanany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, kotra fasiana haza; ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana, dia nandroso nanatona an’ilay Filistinina izy.
Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao: ny ain’ny tompoko ho voafehy ao amin’ny fehezan’ny velona ao amin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny ain’ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin’ny foitran’antsamotady.