ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!»
Mpitsara 19:26 - Baiboly Katolika Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa ho maraina ny andro dia tonga Ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dRalehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka tavela teo mandra-pahazava ny andro. DIEM PROTESTANTA Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran’ny tranon’ilay lahiantitra izay nitoeran’ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain’ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran’ny tranon’ilay lahiantitra izay nitoeran’ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ny andro. Malagasy Bible Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro. La Bible en Malgache Rehefa ho maraina ny andro dia tonga Ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dRalehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka tavela teo mandra-pahazava ny andro. |
ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!»
tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo.
Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin’izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin’izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-paharainan’ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.
Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran’ny trano, ary teo amin’ny tokonana ny tanany.
Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana.