Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»
Mpitsara 18:19 - Baiboly Katolika Ka hoy ny navaliny azy: «Mangina ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao, ary handeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao: Aleonao va mpisoron’ny ankohonan’ny olona iray ihany toy izay mpisoron’ny foko iray sy fianakaviana iray amin’i Israely?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely? DIEM PROTESTANTA –Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo? Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ireo taminy: Mangìna hianao, tampeno ny tànanao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay hianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin’ny firenena iray sy ny foko iray amin’ny Isiraely? Malagasy Bible Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely? La Bible en Malgache Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely? |
Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»
Nony nahita azy ireo kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nilaza tamin’i Elisea hoe: «Hasiako amin’izao ve, hasiako amin’izao ve, ry ikaky ô?»
Raha dia efa adala loatra ianao, ka mila hoentin’avonavona, raha manan-kevitra izany ianao, dia tampeno tanana ny vavanao;
Hahita izany ireo firenena, ka hahamenatra azy avokoa ny heriny rehetra; hitampim-bava izy ireo, hangintsingintsina ny sofiny.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
Dia hoy i Mikasy taminy: «Mitoera atỳ amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, fa omeko vola folo sikla isan-taona, mbamin’ny fitafiana ilainao sy ny sakafo.» Dia niditra ilay Levita.
Nony tafiditra tao an-tranon’i Mikasy izy ireo, ka naka ny sarin-javatra voasikotra sy ny efôda ary ny terafima mbamin’ny zavatra anidina, dia hoy ilay mpisorona taminy: «Inona izato ataonareo?»
Dia faly ny fon’ilay mpisorona, ka nalainy ny efôda sy ny terafima mbamin’ny sarin-javatra voasikotra ary nandroso ho eo afovoan’ny miaramila izy.