Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.
Mpitsara 18:18 - Baiboly Katolika Nony tafiditra tao an-tranon’i Mikasy izy ireo, ka naka ny sarin-javatra voasikotra sy ny efôda ary ny terafima mbamin’ny zavatra anidina, dia hoy ilay mpisorona taminy: «Inona izato ataonareo?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niditra tao amin’ny tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika. Dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona no ataonareo eto? DIEM PROTESTANTA koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: –Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: –Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy: Baiboly Protestanta Malagasy Dia niditra tao an-tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona hianareo? Malagasy Bible Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo? La Bible en Malgache Niditra tao amin’ny tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika. Dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona no ataonareo eto? |
Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.
«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Raha mbola nijanona teo anoloan’ny vavahady ilay mpisorona mbamin’ireo enin-jato lahy vonom-piadiana, izy dimy lahy nisafo ny tany kosa niakatra dia niditra tao an-trano fivavahana, naka ny sarin-javatra voasikotra, ny efôda, ny terafima ary ny zavatra anidina.
Ka hoy ny navaliny azy: «Mangina ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao, ary handeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao: Aleonao va mpisoron’ny ankohonan’ny olona iray ihany toy izay mpisoron’ny foko iray sy fianakaviana iray amin’i Israely?»