Nalevina tao amin’ny faritany azony ho zara taniny izy; dia tao Tamnata-Sare, amin’ny tendrombohitr’i Efraima avaratry ny tendrombohitra Gaasa.
Mpitsara 18:13 - Baiboly Katolika Avy teo izy dia nandroso nankany amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka tonga tao an-tranon’i Mikasy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika. DIEM PROTESTANTA Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany havoan’i Efraima, dia tonga tao an-tranon’i Mika. Malagasy Bible Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika. La Bible en Malgache Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika. |
Nalevina tao amin’ny faritany azony ho zara taniny izy; dia tao Tamnata-Sare, amin’ny tendrombohitr’i Efraima avaratry ny tendrombohitra Gaasa.
Dia maty i Eleazara zanak’i Aarôna, ka nalevina tao Gabaà, tanànan’i Finea zanany, izay nomena azy ao amin’ny tendrombohitr’i Efraima.
Niakatra ireo, dia nitoby tao Kariatiarima any Jodà, izany no niantsoana io tany io mandraka androany hoe: Makane-Dana, ka ao andrefan’i Kariatiarima no misy azy.
Tamin’izay izy dimy lahy izay efa nandeha nisafo ny tanin’i Laïsa teo, dia niteny tamin’ireo rahalahiny, ka nanao hoe: «Fantatrareo va fa misy efôda sy tarafima ary sarin-javatra voasokitra aman-javatra anidina, amin’ireto trano ireto? Koa hevero izao izay tokony hataonareo».
Tamin’izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin-tendrombohitr’i Efraima dia naka ho vady vehivavy anankiray avy any Betlehema any Jodà.