Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
Mpitsara 17:13 - Baiboly Katolika Ary hoy i Mikasy hoe: «Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy i Iaveh satria manana an’ity Levita ity ho mpisorona aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy NY TOMPO satria manana ity levita ity ho mpisoroko aho. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Mikà anakampo hoe: «Azoko antoka izao fa hanisy soa ahy ny TOMPO, satria ity levita ity no efa tonga mpisoroko.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Mikà anakampo hoe: «Azoko antoka izao fa hanisy soa ahy ny TOMPO, satria ity levita ity no efa tonga mpisoroko.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho. Malagasy Bible Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho. La Bible en Malgache Dia hoy i Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy NY TOMPO satria manana ity levita ity ho mpisoroko aho. |
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»
Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.
Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
Ary na izaho koa aza, dia efa nihevitra fa tsy maintsy manao izay tratry ny aiko aho hanohitra ny Anaran’i Jesoa avy any Nazareta,
I Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon’i Mikasy.
Tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely tamin’izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon’ny Danita, tamin’izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin’izany andro izany izy eo afovoan’ny fokon’i Israely.
Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»