Dia hoy i Mikasy taminy: «Mitoera atỳ amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, fa omeko vola folo sikla isan-taona, mbamin’ny fitafiana ilainao sy ny sakafo.» Dia niditra ilay Levita.
Mpitsara 17:11 - Baiboly Katolika Ka ny Levita nanaiky hitoetra tao amin’io lehilahy io ka noraisiny ho toy ny anankiray amin’ny zanany ilay tovolahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy eo dia nanaiky hitoetra tao amin-dRalehilahy ilay levita ka tonga tahaka ny zanany. DIEM PROTESTANTA ary nanaiky hitoetra tao amin’i Mikà izay nitondra azy toy ny zanany lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nanaiky hitoetra tao amin’i Mikà izay nitondra azy toy ny zanany lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy. Malagasy Bible Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy. La Bible en Malgache Avy eo dia nanaiky hitoetra tao amin-dRalehilahy ilay levita ka tonga tahaka ny zanany. |
Dia hoy i Mikasy taminy: «Mitoera atỳ amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, fa omeko vola folo sikla isan-taona, mbamin’ny fitafiana ilainao sy ny sakafo.» Dia niditra ilay Levita.
I Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon’i Mikasy.
Niala tao Betlehema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin’ny tendrombohitra Efraima sy tao an-tranon’i Mikasy.