Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 16:19 - Baiboly Katolika

Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanàra ny foto-bolo fito amin’ny lohan’i Samsôna dia niantomboka tamin’izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ravehivavy nanondana an’i Samsona hatory teo an-dohaliny dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin’ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko



Mpitsara 16:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.


Hitan’i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan’ny Filistinina izy, sy nampilaza tamin’izy ireo hoe: «Miakara amin’izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra.» Dia niakatra ireo filohan’ny Filistinina, samy nanao an-tanany ny volany.


Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.