Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.
Mpitsara 16:15 - Baiboly Katolika Ka hoy ravehivavy taminy: «Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo ianao izao no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran’ny herinao lehibe» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nilaza hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izao ary tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Delilà taminy: –Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian’ny herinao lehibe. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Delilà taminy: –Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian’ny herinao lehibe. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana hianao no nanao hoe: Tiako hianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo hianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe. Malagasy Bible Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe. La Bible en Malgache Dia hoy Ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nilaza hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izao ary tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe. |
Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.
Fa hoy i Absalôma tamin’ny Kosaia: «Izao ve no firaiketanao amin’ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao ianao?»
Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany.
hanafaka anao amin’ny vehivavy efa an’ny hafa, amin’ny vehivavy efa an’olon-kafa izay manao teny mandrobo,
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny,
Dia nitomany teo anilan’i Samsôna ny vavy, ka nanao taminy hoe: «Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy mba nolazainao tamiko ny hevitr’izany». Fa hoy ny navaliny azy: «Ikaky sy ineny aza tsy nilazako azy, ka ianao indray ve no hilazako?»
Dia naompan-dravehivavy tamin’ny fàntaka ireny. Rehefa izany dia hoy izy taminy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Taitra tamin’ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana ny tenona.
Dia nitory kisina taminy isan’andro teo izy sy nanorisory azy tamin’ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy: