Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.
Mpitsara 16:13 - Baiboly Katolika Hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mamazivazy ahy foana ianao hatramin’izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy.» Dia hoy izy taminy: «Izao ihany; tenomy hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany hianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenonima hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako. Malagasy Bible Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako. La Bible en Malgache Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako. |
Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.
Ary hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany ianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.»
Koa nalain’i Dalilà ny tady vaovao namatorana azy, dia hoy izy taminy: «Hirotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Ary efa misy olona manotrika ao an’efitranony. Ary notapahiny hoatran’ny fanapaka singan-kofehy ny tady tamin’ny sandriny.
Dia naompan-dravehivavy tamin’ny fàntaka ireny. Rehefa izany dia hoy izy taminy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Taitra tamin’ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana ny tenona.