Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 15:13 - Baiboly Katolika

Dia namaly azy izy nanao hoe: «Tsia, fa ny hamatotra anao sy ny hanolotra anao eo an-tanan’izy ireo ihany no tadiavinay, fa tsy hamono anao izahay.» Dia nafatony tamin’ny mahazaka roa vaovao izy, nentiny hiakatra avy teo amin’ilay vatolampy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.

Jereo ny toko



Mpitsara 15:13
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatona ny Komandy, ka nisambotra azy, sy nampamatotra azy tamin’ny rojo vy roa, ary nanontany hoe: «Iza moa izy, ary inona no nataony?»


Hoy izy ireo taminy: «Ny hamatotra anao no nidinanay, mba hanoloranay anao eo an-tanan’ny Filistinina.» Ka hoy i Samsôna tamin’izy ireo: «Mianiàna àry fa tsy mitady hamono ahy ianareo.»


Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;


Dia hoy izy taminy: «Raha tady vaovao, tsy mbola nampiasaina akory no amatorana ahy, dia hanjary osa sy sahala amin’ny olon-kafa ihany aho.»