Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mpitsara 14:18 - Baiboly Katolika Tamin’ny andro fahafito raha mbola tsy maty ny masoandro dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsôna: «Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona?» Fa hoy kosa izy tamin’izy ireo: «Raha tsy ny omby vavy keliko no nentinareo niasa, dia tsy nahalala ny ankamantatro ianareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely, ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo dia tsy ho nahalala ny ankamantatra nataoko. DIEM PROTESTANTA Koa tamin’iny andro fahafito iny, talohan’ny hilentehan’ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanàna nilaza tamin’i Samsôna hoe: –Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin’i Samsôna azy: –Raha tsy nampiasa ny vantotr’ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin’ny ankamantatro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tamin’iny andro fahafito iny, talohan’ny hilentehan’ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanàna nilaza tamin’i Samsôna hoe: –Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin’i Samsôna azy: –Raha tsy nampiasa ny vantotr’ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin’ny ankamantatro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony tamin’ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko hianareo Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko. Malagasy Bible Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko. La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely, ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo dia tsy ho nahalala ny ankamantatra nataoko. |
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Hidera azy ry zareo mankahala an’i Iaveh, ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan’i Israely.
ny liona, biby mahery fo indrindra, tsy mihemotra, na amin’inona na amin’inona hiadiany;
Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloana tarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.
Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.
Dia nentin’ny Fanahin’i Iaveh izy ka nidina nankany Askalôna. Ary namono olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an’izay nahalala ny ankamantatra. Raha efa izany niakatra nankany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran’i Samsôna.