Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 14:16 - Baiboly Katolika

Dia nitomany teo anilan’i Samsôna ny vavy, ka nanao taminy hoe: «Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy mba nolazainao tamiko ny hevitr’izany». Fa hoy ny navaliny azy: «Ikaky sy ineny aza tsy nilazako azy, ka ianao indray ve no hilazako?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitomany ny vadin’i Samsona sady nanjohy azy ka niteny hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny! Fa hoy i Samsona taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, koa ianao va no hilazako azy?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin’i Samsôna ny vadiny ka nanao hoe: –Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin’ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsôna hoe: –Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin’i Samsôna ny vadiny ka nanao hoe: –Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin’ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsôna hoe: –Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny vadin’i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ny zanaky ny fireneko hianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka hianao va no hilazako?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitomany ny vadin’i Samsona sady nanjohy azy ka niteny hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny! Fa hoy i Samsona taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, koa ianao va no hilazako azy?

Jereo ny toko



Mpitsara 14:16
4 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.


Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.


Ka hoy ravehivavy taminy: «Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo ianao izao no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran’ny herinao lehibe»


Dia nitory kisina taminy isan’andro teo izy sy nanorisory azy tamin’ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy: