Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 13:22 - Baiboly Katolika

Ka hoy i Manôe tamin’ny vavy: «Ho faty izao isika fa efa nahita an’Andriamanitra».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy i Manoa tamin’ny vadiny: Ho faty tokoa isika satria efa nahita an’Andriamanitra!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Manoa tamin’ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy i Manoa tamin’ny vadiny: Ho faty tokoa isika satria efa nahita an’Andriamanitra!

Jereo ny toko



Mpitsara 13:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»


ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.


Niakatra i Môizy, nomban’i Aarôna sy i Nadaba ary i Abiò mbamin’ny fitopolo lahy tamin’ny loholon’i Israely,


Ary hoy koa izy: «Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.» Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.


Dia hoy i Iaveh: «Tsy afa-mahita ny Tavako ianao, satria tsy afa-mahita Ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany.»


Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»


Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»


Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny,


handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.


Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.


Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’i Iaveh iny ka hoy i Jedeôna: «Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’i Iaveh.»