Mpitsara 12:8 - Baiboly Katolika Ary taorian’izy io dia i Abesàna, avy any Betlehema, no mpitsara tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorianan’i Jefta. DIEM PROTESTANTA I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’i Jefta. Malagasy Bible Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta. La Bible en Malgache Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorianan’i Jefta. |
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema
Ny tanàna dia i Kateta, i Naalôla, i Semerona, i Jedalà, sy i Betlehema, tanàna 12 sy ny zana-bohiny.
I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina.
Nitsara an’i Israely enin-taona i Jefte; raha efa izany dia maty i Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Galaada.
Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.
Ary nisy zatovo lahy anankiray avy any Betlehema any Jodà, avy amin’ny fokon’i Jodà, Levita izy io, ary nitoetra tao amin’izany tany izany.
Tamin’izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin-tendrombohitr’i Efraima dia naka ho vady vehivavy anankiray avy any Betlehema any Jodà.
Ka hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Mandra-pahoviana no hitomanianao an’i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjaka amin’i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Isaï any Betlehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako».