Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.
Mpitsara 10:5 - Baiboly Katolika Maty i Jaira ka nalevina ao Kamôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia maty i Jaira ka nalevina tany Kamona. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia maty i Jaîro, ka nalevina tao Kamôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia maty i Jaîro, ka nalevina tao Kamôna. Baiboly Protestanta Malagasy Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona. Malagasy Bible Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona. La Bible en Malgache Dia maty i Jaira ka nalevina tany Kamona. |
Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.
Nampahorin’ireo sy notorotoroin’ireo tamin’izany taona izany ny zanak’i Israely; ary nampahoriny valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely rehetra, izay nonina tany andafin’i Jordany amin’ny tanin’ny Amôreana, any Galaada.