Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 10:14 - Baiboly Katolika

Fa mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahoriana».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra izay nofidinareo! Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahorianareo!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny androm-pahorianareo!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny androm-pahorianareo!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahantranareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra izay nofidinareo! Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahorianareo!

Jereo ny toko



Mpitsara 10:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Mba mitady inona atỳ amiko koa ity ianao? Any amin’ny mpaminanin-dreninao aleha.» Fa hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: «Tsia, fa ny hanoloran’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto eo an-tanan’i Moaba no niantsoany azy.»


Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?


Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.


Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.


Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.


Ary ny aminareo, ry taranak’i Israely, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy! Any aorian’izany anefa, hihaino Ahy tokoa ianareo, ka tsy hanevateva ny Anarako masina amin’ny fanatitrareo aman-tsampin-dozanareo intsony.