dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
Mpitsara 1:36 - Baiboly Katolika Ny faritanin’ny Amôreana, dia hatramin’ny fiakarana Akrabima sy Selà no ho miakatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny faritanin’ny Amorita dia hatrany amin’ny fiakaran’i Akrabima ka hatrany amin’ilay harambato no ho mankany amboniny. DIEM PROTESTANTA Ny faritanin’ny Edômita kosa miainga eo amin’ny fiakarana Hakrabima, dia eo amin’ny harambato no ho miakatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny faritanin’ny Edômita kosa miainga eo amin’ny fiakarana Hakrabima, dia eo amin’ny harambato no ho miakatra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fari-tanin’ny Amorita dia hatramin’ny fiakarana Akrabima ka hatramin’ilay harambato no ho mankany. Malagasy Bible Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany. La Bible en Malgache Ary ny faritanin’ny Amorita dia hatrany amin’ny fiakaran’i Akrabima ka hatrany amin’ilay harambato no ho mankany amboniny. |
dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
dia miolaka mianatsimo amin’ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon’i Kadesy-Barne, mitohy amin’ny Hatsar-Adara, mihazo any Asemôna,
ary nahazo toky ny Amôreana hitoetra ao Hara-Haresy sy Ajalôna ary Selebima fa nanampatra ny herin’ny tanany tamin’izy ireo kosa ny fianakavian’i Josefa, ka nampandoaviny hetra izy ireo.