Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitoriteny 1:4 - Baiboly Katolika

Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray. Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lasa ny taranaka iray ary mandimby kosa ny taranaka hafa; nefa ny tany dia mbola maharitra eo ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Lasa ny taranaka iray, dia tonga ny iray hafa mandimby azy; nefa izao tontolo izao mbola maharitra hatrany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lasa ny taranaka iray, dia tonga ny iray hafa mandimby azy; nefa izao tontolo izao mbola maharitra hatrany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lasa ny taranaka iray ary mandimby kosa ny taranaka hafa; nefa ny tany dia mbola maharitra eo ihany.

Jereo ny toko



Mpitoriteny 1:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»


Manorona ny tany eo amin’ny fanorenany Izy, ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.


Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.


Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity; dia amin’izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin’ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?


Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?


Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Farany, dia maty koa ravehivavy.