Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 7:5 - Baiboly Katolika

Aza mino izay sakaiza ianareo, na matoky izay ifankazarana indrindra: na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza dia tano ny teny ao am-bavanao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aza matoky namana ianareo, aza manankim-po amin’ny sakaiza mahazatra fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’ny andefimandrinao aza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Aza matoky namana, ary aza miantehitra amin-tsakaiza. Tandremo tsara ny vavanareo na dia eo anatreham-bady aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Aza matoky namana, ary aza miantehitra amin-tsakaiza. Tandremo tsara ny vavanareo na dia eo anatreham-bady aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aza matoky namana hianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’izay andefimandrinao aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aza matoky namana ianareo, aza manankim-po amin’ny sakaiza mahazatra fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’ny andefimandrinao aza.

Jereo ny toko



Mika 7:5
11 Rohy Ifampitohizana  

Iaveh ô, asio fiambenana eo amin’ny vavako; ary mpitily eo am-baravaran’ny molotro.


Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare; efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.


«Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.


Samia miaro tena amin’ny sakaizany avy ianareo, ary aza matoky izay rahalahy, na dia iray aza; fa misongona ho hàny ataon’ny rahalahy rehetra; ary lasa mitati-bolana fanaratsiana avokoa ny sakaiza.


Izy rehetra rehetra samy mifamitaka; tsy mba milaza ny marina; mampiasa lela mandainga, misahirana hanao ratsy.


Mitomany amin’alahelo izy, mandritra ny alina, vonton-dranomaso ny takolany, tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra; nivadika taminy ireo namany rehetra, ka tonga fahavalony.


Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.


Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.