Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;
Mika 6:13 - Baiboly Katolika Koa izao kosa no Ahy, ka hasiako kapoka mahafaty ianao, haringako noho ny fahotanao ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao ka handringana anao noho ny helokao. DIEM PROTESTANTA Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin’ny fandringanako anao noho ny helokao. Malagasy Bible Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao. La Bible en Malgache Izaho kosa dia hikapoka maharary anao ka handringana anao noho ny helokao. |
Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;
Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.
Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.
Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana; ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely zava-tsy maintsy tò no ambarako.
dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy.
Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.
Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.