Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 3:3 - Baiboly Katolika

Izy ireo no mihinana ny nofon’ny vahoakako; manendaka ny hoditra eo amin’ny vatany, mamakivaky ny taolany, mamotipotika azy toy ny ao am-bilany, ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary manapotipotika ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, hianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary manapotipotika ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko



Mika 3:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy? Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina; tsy miantso an’i Iaveh izy ireo.


Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy, ka hihinana ny nofoko; raha nandroso ny rafy lahiko amam-pahavaloko; dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo.


Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny, ary antsy ny vazany; hihinana ny ory tsy ho amin’ny tany, sy ny tsy manana tsy ho eo amin’ny olombelona.


Mifandahatra amin’ny loholona eo amin’ny fitsarana i Iaveh, sy amin’ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: «Niraotra ny voaloboka ianareo; ny fananan’ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.


Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako, sy anorotoroanareo ny tavan’ny ory?» Teny ton’ny Tompo Iavehn’ny tafika, izany.


‹Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.›


Dia arotsahy ao ny didin-kena, ny didiny tsara rehetra; ny nofom-peny ama-nofon-tsorony; fenoy taolana voafantina izy,


Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,


Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin’ny akanjo; ny mizotra tsy manana ahiahy, ataonareo fahavalo.


Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona; ny mpitsarany amboadia hariva, tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.