Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an’ny mpanjaka no ho vokatr’izany.
Matio 9:9 - Baiboly Katolika Ary nony niala teo i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: «Andeha hanaraka Ahy ianao.» Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony niala teo Jesosy dia nahita lehilahy iray antsoina hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra ka hoy Izy taminy: Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana i Matio ka nanaraka Azy. DIEM PROTESTANTA Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy. Malagasy Bible Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy. La Bible en Malgache Nony niala teo Jesosy dia nahita lehilahy iray antsoina hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra ka hoy Izy taminy: Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana i Matio ka nanaraka Azy. |
Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an’ny mpanjaka no ho vokatr’izany.
Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio, sy i Tomà, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.
ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,