Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 6:26 - Baiboly Katolika

Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan’ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan’ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Jereo ny toko



Matio 6:26
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary ianao kosa, itondray avokoa rehefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy ataonao sy izy ireo fihinana.»


izay nanao antsika manan-tsaina noho ny biby eto an-tany, sy hendry noho ny voromanidina?›


Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny?


Manome hanina ny biby fiompy sy ny zana-goaika mitaraina aminy Izy.


Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.


Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.


Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny;


Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavako ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,