Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.
Matio 5:16 - Baiboly Katolika Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra. DIEM PROTESTANTA Aoka hamiratra eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka hamiratra eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Malagasy Bible Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. La Bible en Malgache Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra. |
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.
Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha lalana anao; ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.
Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an’Andriamanitra izy, ary hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra!
Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.
fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.
toy izany koa ny asa tsara: misy miharihary, misy tsy toy izany aloha, nefa tsy ho azo afenina lalandava.
ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,
Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.
ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,
Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.
Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza,
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.
Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra.