Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Matio 5:1 - Baiboly Katolika Ary nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany. DIEM PROTESTANTA Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Malagasy Bible Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. La Bible en Malgache Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany. |
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Rehefa niala teo i Jesoa dia nankany amoron’ny ranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo.
Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy.
Ary niakatra tamin’ny tendrombohitra anankiray Izy, ka niantso izay tiany hantsoina hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.
Niverina nankany an-trano Izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray Izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidona amorontsiraka,
Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe: Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
Rehefa tokony ho havaloana taorian’ny nilazany an’izany, dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.
Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.