Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
Matio 4:25 - Baiboly Katolika Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy any Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy any andafin’i Jordana. DIEM PROTESTANTA Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’i Jordana. Malagasy Bible Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana. La Bible en Malgache Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy any Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia* ary ny avy any andafin’i Jordana. |
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
«Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalì, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily:
Ary nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany,
Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.
Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe: «Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Niala indray tany amin’ny faritanin’i Tira i Jesoa, ary namaky ny faritanin’i Sidona ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidona amorontsiraka,
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.