Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 3:8 - Baiboly Katolika

Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo;

Jereo ny toko



Matio 3:8
16 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.


Fa angamba dia hohenoin’ny taranak’i Jodà ny loza rehetra kasaiko hatao aminy, mba hiovany, hialany amin’ny lalan-dratsiny avy, ka hamelako ny helony amam-pahotany.


«Fa tonga teto aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.»


Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana, ary aza manao anakampo hoe: ‹I Abrahama no rainay›; fa lazaiko marina aminareo fa azon’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama na dia amin’ireto vato ireto aza.


fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra tany Damasy aloha, vao tany Jerosalema, sy eran’i Jodea manontolo, ary tamin’ny Jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana.


Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.


Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra.


ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.