Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 28:8 - Baiboly Katolika

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niala haingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, ary nihazakazaka hilaza amin’ny mpianany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr’i Jesoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ny mpianatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niala haingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, ary nihazakazaka hilaza amin’ny mpianany.

Jereo ny toko



Matio 28:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Manompoa an’i Iaveh amim-pahatahorana, mientan-kafaliana amim-pangovitana.


Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea Izy; any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay.»


Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.


Dia nivoaka ny fasana izy ireo ka nandositra, fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.


Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.


Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.