Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 28:4 - Baiboly Katolika

Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary tora-kovitra noho ny tahotra azy ny mpiambina ka tonga tahaka ny maty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Azon’ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Azon’ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary tora-kovitra noho ny tahotra azy ny mpiambina ka tonga tahaka ny maty.

Jereo ny toko



Matio 28:4
10 Rohy Ifampitohizana  

nisy tahotra aman-kovitra nahazo ahy, ary nanozongozona ny taolako rehetra izany,


Kanjo nahita Azy, dia vahotra terỳ, nivadi-po izy, ka vaky nandositra.


Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho.


Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.


Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: «Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo.


Dia nangataka jiro ny mpiambina, ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr’i Paoly sy i Silasy.


Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;