Matio 28:3 - Baiboly Katolika Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fijery azy dia tahaka ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny orampanala; DIEM PROTESTANTA Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala; Malagasy Bible Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala; La Bible en Malgache Ny fijery azy dia tahaka ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny orampanala; |
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.
Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra.
ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indro nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany,
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
Taorian’izany, dia hitako nidina avy any an-danitra ity Anjely anankiray hafa koa, nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny.