Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 18:1 - Baiboly Katolika

1 Taorian’izany, dia hitako nidina avy any an-danitra ity Anjely anankiray hafa koa, nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany dia nohazavain’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Taorian’izany, dia hitako nisy anjely anankiray hafa koa nidina avy tany an-danitra; nanana fahefana lehibe io anjely io ary nanazava ny tany tontolo ny famirapiratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Taorian’izany, dia hitako nisy anjely anankiray hafa koa nidina avy tany an-danitra; nanana fahefana lehibe io anjely io ary nanazava ny tany tontolo ny famirapiratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 REHEFA afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 18:1
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon’ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon’ny voninahiny.


Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’olona amin’ny androny.


ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.


Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.


Dia nanatona ahy ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra kapoaka fito, ka nanao tamiko hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin’ny rano lehibe maro,


Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Nahoana no gaga ianao? Indro hasehoko anao ny hevi-miafin’ilay Vehivavy sy ny Biby fito loha manan-tandroka folo.»


Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra