Matio 27:21 - Baiboly Katolika Dia niteny indray ny governora nanao hoe: «Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?» «I Barabasy» hoy izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ny governora tamin’izy ireo: Iza amin’izy roa lahy moa no tianareo hafahako ho anareo? Dia hoy izy rehetra: I Barabasy. DIEM PROTESTANTA Dia niteny tamin’ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: –Iza amin’izy roa lahy ireto no tianareo halefako ho anareo? Ka hoy ny vahoaka: –I Barabasy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny tamin’ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: –Iza amin’izy roa lahy ireto no tianareo halefako ho anareo? Ka hoy ny vahoaka: –I Barabasy! Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy. Malagasy Bible Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy. La Bible en Malgache Fa hoy ny governora tamin’izy ireo: Iza amin’izy roa lahy moa no tianareo hafahako ho anareo? Dia hoy izy rehetra: I Barabasy. |
ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy: «Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy sy hampamono an’i Jesoa.
Ary hoy i Pilaty taminy: «Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»
Kanjo nony nahita iny ny mpiasa dia nanao anakampo hoe: ‹Inty ny mpandova ka ndeha hovonointsika, dia ho antsika ny lova.›