Vao lasa kelikely izy, dia hoy kosa i Giezi mpanompon’i Elisea olon’Andriamanitra anakampony: «Mitsimbina an’i Naamàna Sirianina ny tompoko, ka tsy nandray avy amin’ny tanany ny zavatra nentiny. Velona i Iaveh! fa hihazakazaka hanaraka azy aho, ka hahazo zavatra aminy.»
Tsy novonoin’i Saola sy ny vahoaka anefa i Agaga, mbamin’ny tsara indrindra tamin’ny ondry, ny omby, ny biby avy amin’ny terany fanindroany, zanak’ondry mbamin’izay tsara rehetra, tsy nekeny hatao anatema izany, fa ny ratsiratsy sy tsy misy vidiny ihany no nataony anatema.