Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Matio 26:53 - Baiboly Katolika Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy omby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Heverinao va fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko dia haniraka anjely maherin’ny roa amby folo legiona ho atỳ Amiko Izy eo no eo? DIEM PROTESTANTA Heverinao ve fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko, ary ankehitriny izao ihany Aho dia handefasany anjely marobe mihoatra noho ny andian-tafika 12? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Heverinao ve fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko, ary ankehitriny izao ihany Aho dia handefasany anjely marobe mihoatra noho ny andian-tafika 12? Baiboly Protestanta Malagasy Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? Malagasy Bible Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? La Bible en Malgache Heverinao va fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko dia haniraka anjely maherin’ny roa amby folo legiona ho atỳ Amiko Izy eo no eo? |
Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terỳ.
Ary nanontany azy Izy nanao hoe: «Iza no anaranao?» Dia novaliany hoe: «Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.»
Nanontanian’i Jesoa izy nataony hoe: «Iza no anaranao?» «Lejiona no anarako,» hoy izy, satria be ny demony tafiditra tao aminy,
Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko.
I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»
sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahorina, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan’ny afo miredareda, i Jesoa Tompo mbamin’ny Anjelin’ny heriny,
Ireo koa no efa novinanin’i Enôka, ilay fahafito avy amin’i Adama, hoe: «Indro avy ny Tompo, omban’ny olo-masiny tsy tambo isaina,