Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 26:47 - Baiboly Katolika

Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ny roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha mbola niteny Jesosy dia indro, avy i Jodasy izay iray amin’ny roa amby folo lahy, miaraka amin’ny vahoaka betsaka, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ny roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha mbola niteny Jesosy dia indro, avy i Jodasy izay iray amin’ny roa amby folo lahy, miaraka amin’ny vahoaka betsaka, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona.

Jereo ny toko



Matio 26:47
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe Jodasy IsKariota nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona,


Mitsangàna ianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika Ahy.»


Efa nomen’ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: «Izay horohako no Izy, ka sambory.»


Ary tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ireo vahoaka ireo: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy; nipetraka isan’andro teo aminareo Aho, nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo;


Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;