Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 23:4 - Baiboly Katolika

Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.

Jereo ny toko



Matio 23:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.


Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.


ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.


Fa hoy i Jesoa: «Mila loza ianareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra ny tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.


Koa nahoana àry no maka fanahy an’Andriamanitra ianareo izao, ka manisy jioga amin’ny vozon’ny mpianatra, nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika?


Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra ny mavesatra anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:


Fa na dia ny tenan’izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforàna, dia ny mba hireharehany amin’ny nofonareo.


Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny,


Ary indreo ianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin’ny sasany hoe sain-dalin’i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako zavatra hafa ianareo,