Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 23:2 - Baiboly Katolika

nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eo amin’ny fitoeran’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

nanao hoe: –Nomena fahefana hivaofy ny lalànan’i Mosesy ny mpahay lalàna sy ny Farisianina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

nanao hoe: –Nomena fahefana hivaofy ny lalànan’i Mosesy ny mpahay lalàna sy ny Farisianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eo amin’ny fitoeran’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanoradalàna* sy ny Fariseo*;

Jereo ny toko



Matio 23:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren’Andriamanitrao, izay eo an-tananao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin’ny ony, amin’izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala.


niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.


Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.


ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.


Dia izao koa no nolazainy tamin’ny fampianarany: «Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja,


«Tandremo ny mpanora-dalàna, izay finaritra mitsangantsangana amin’ny akanjo rebareba, te hoarahabaina eny amin’ny kianja, tia ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga mbamin’ny toerana voalohany amin’ny fanasana,


Tiany koa ny vahoaka, eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra, mipetraka ao an-tongotrao izy ireo, ary samy mandray ny teninao avokoa.