Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 22:5 - Baiboly Katolika

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa tsy nahoan’ireo akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray dia ho any amin’ny sahany, ny iray dia ho any amin’ny varony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanjo tsy nahoan’ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin’ny saha voleny, ary ny anankiray any amin’ny varotra karakarainy;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanjo tsy nahoan’ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin’ny saha voleny, ary ny anankiray any amin’ny varotra karakarainy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ny varony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa tsy nahoan’ireo akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray dia ho any amin’ny sahany, ny iray dia ho any amin’ny varony.

Jereo ny toko



Matio 22:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.


Izay vao nomen’i Jakôba mofo sy sosoam-boanemba i Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.


Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.


Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.


Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: ‹Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra rehetra, koa tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo›.


ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.


ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»


Fa ny sasany kosa naneso nilaza hoe: «Mamon-divay vaovao ry zareo.»


Nony nilaza ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy i Paoly, dia raiki-tahotra i Feliksa ka nanao hoe: «Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho.»


Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?


Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.


mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,


hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,


Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.