Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»
Matio 21:8 - Baiboly Katolika Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin’ny làlana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dalana koa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny ankabeazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ny sasany dia nanapaka rantsan-kazo ary nampihahaka izany teny an-dalana. DIEM PROTESTANTA Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin’ny lalan’i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin’ny lalan’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin’ny lalan’i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin’ny lalan’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ankabiazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dàlana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dàlana koa izany. Malagasy Bible Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. La Bible en Malgache Ary ny ankabeazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ny sasany dia nanapaka rantsan-kazo ary nampihahaka izany teny an-dalana. |
Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»
Amin’ny andro voalohany haka voan’ny hazo tsara tarehy ianareo, sampan-drofia, rantsan’ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana.
dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo i Jesoa.
Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa.
ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe: «Hôzàna, hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, sy Mpanjakan’i Israely.