Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.
Matio 21:6 - Baiboly Katolika Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandeha ny mpianatra ka nanatanteraka izay toromarika nomen’i Jesosy azy, DIEM PROTESTANTA Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian’i Jesoa azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian’i Jesoa azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’i Jesosy azy, Malagasy Bible Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy, La Bible en Malgache Ary nandeha ny mpianatra ka nanatanteraka izay toromarika nomen’i Jesosy azy, |
Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.
Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy.
Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rehefa ilay maizimaizina iny, dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.
«Lazao amin’ny zanakavavin’i Siôna hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao. malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak’ampondra mitondra jioga.»
dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo i Jesoa.
«Manenina Aho tamin’ny nananganako an’i Saola ho mpanjaka; fa nivily niala tamiko izy, ary tsy narahiny ny teniko». Dia nalahelo i Samoela ary nitaraina tamin’i Iaveh izy nandritra iny alina iny.