Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?
Matio 21:34 - Baiboly Katolika Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahy, handray ny vokatry ny tanimboalobony; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra. DIEM PROTESTANTA Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ny mpiasa tany handray ny vokatra. Malagasy Bible Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra. La Bible en Malgache Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra. |
Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?
Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.
fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‹Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany›
Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany?»
«Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany.»
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo.
Ary niteny tamin’izy ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.
Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: ‹Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.›
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanimboalobony hafindrany amin’ny hafa.
Dia nilaza ity fanoharana ity tamin’ny vahoaka Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly tanimboaloboka ka nahofany tamin’ny mpiasa, dia lasa izy ka nitoetra ela tany an-tany hafa.