Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 2:9 - Baiboly Katolika

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.

Jereo ny toko



Matio 2:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Iza no olona matahotra an’i Iaveh? Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny.


Tiako izay tia ahy, ary mahita ahy izay fatra-pikatsaka ahy.


Faly dia faly izy nony nahita ny kintana.


nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.»


Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»


Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.