Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 2:8 - Baiboly Katolika

Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko



Matio 2:8
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Absalôma sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely: «Aleo ny hevitr’i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr’i Akitôfela.» Fa efa notapahin’i Iaveh ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen’i Akitôfela, mba hampidiran’i Iaveh loza amin’i Absalôma.


Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Iza moa no niteny, dia tanteraka izany, raha tsy efa voadidin’ny Tompo?


Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema


Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy.


Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa.