Matio 2:7 - Baiboly Katolika Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana; Baiboly Protestanta Malagasy Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ilay kintana. Malagasy Bible Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana. La Bible en Malgache Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana. |
Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy dia hivoaka hiala amin’ny tany.»
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema
Ary nony efa hitan’i Herôda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin’ny tany manodidina, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin’ny Majy.
Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»
Fantatr’i Feliksa tsara ny amin’io Lalana io, ka noravany ny olona nilazany hoe: «Rahefa tonga i Lisiasy komandy, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.»
Dia nandefa rano toy ny ony avy amin’ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan’ny ony azy.
Hoy i Saola anakam-po: «Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy». Dia hoy i Saola tamin’i Davida fanindroany: «Ho tonga vinantoko ianao anio».