Nahavelona ahiahy ny fon’ny mpanjakan’i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: «Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan’i Israely eto amintsika?»
Matio 2:3 - Baiboly Katolika Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nony nandre izany i Heroda mpanjaka dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema manontolo. DIEM PROTESTANTA Vao nandre izany i Herôda mpanjaka, dia nihorohoro izy mbamin’i Jerosalema iray vohitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vao nandre izany i Herôda mpanjaka, dia nihorohoro izy mbamin’i Jerosalema iray vohitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra. Malagasy Bible Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra. La Bible en Malgache Ary nony nandre izany i Heroda mpanjaka dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema manontolo. |
Nahavelona ahiahy ny fon’ny mpanjakan’i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: «Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan’i Israely eto amintsika?»
nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.»
ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: «Aiza no hahaterahan’i Kristy?»
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?
Handre ady sy filazana ady ianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany.
Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»
Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, ianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany;
sosotra izy ireo noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan’ny maty efa hita tamin’i Jesoa,