Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Matio 19:15 - Baiboly Katolika Ary rehefa nametra-tanana tamin’ireo Izy, dia nizò-dalana indray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa avy nametraka ny tanany taminy Izy dia niala teo. DIEM PROTESTANTA Dia nametra-tanana tamin’ireo ankizy madinika ireo i Jesoa vao niala teo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nametra-tanana tamin’ireo ankizy madinika ireo i Jesoa vao niala teo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo. Malagasy Bible Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo. La Bible en Malgache Rehefa avy nametraka ny tanany taminy Izy dia niala teo. |
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.»
Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»
satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao.
sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.