Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 19:10 - Baiboly Katolika

«Raha izany no toetran’ny lehilahy amin’ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy ny mpianany Taminy: Raha izany no toerana misy ny lehilahy manoloana ny vadiny dia aleo tsy manambady.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ny mpianatra kosa niteny tamin’i Jesoa hoe: –Raha izany no takîna amin’ny lehilahy manoloana ny vadiny, dia aleo tsy manambady!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ny mpianatra kosa niteny tamin’i Jesoa hoe: –Raha izany no takîna amin’ny lehilahy manoloana ny vadiny, dia aleo tsy manambady!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy ny mpianany Taminy: Raha izany no toerana misy ny lehilahy manoloana ny vadiny dia aleo tsy manambady.

Jereo ny toko



Matio 19:10
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»


Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.


Aleo mitoetra any an’efitra, toy izay amin’ny vehivavy tia ady sy foizina.


Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano, toy izay miara-monina amin’ny vehivavy tia ady.


Ary hoy Izy taminy: «Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany.


Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa»


Izao no lazaiko amin’ny tsy manam-bady sy ny vehivavy maty vady: Tsara aminy ny mitoetra toa ahy;


handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon’Andriamanitra horaisin’ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana.