Hovaliana faty impito heny i Kaina, ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny i Lameka.»
Matio 18:22 - Baiboly Katolika Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa taminy: –Tsy hatramin’ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin’ny impitopolo impito! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa taminy: –Tsy hatramin’ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin’ny impitopolo impito! Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo. Malagasy Bible Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo. La Bible en Malgache Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo. |
Hovaliana faty impito heny i Kaina, ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny i Lameka.»
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;
«Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.
Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.